Hijery ny anatiny

Rahalahy Yevgeniy Bushev

20 NOVAMBRA 2023 | VAOVAO FARANY: 26 APRILY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: NAHENA NY SAZINY | Voaheloka Higadra Fito Taona ny Rahalahy Yevgeniy Bushev

VAOVAO FARANY: NAHENA NY SAZINY | Voaheloka Higadra Fito Taona ny Rahalahy Yevgeniy Bushev

Nahenan’ny Fitsaram-paritr’i Tcheliabinsk herintaona ny sazin’ny Rahalahy Yevgeniy Bushev, tamin’ny 25 Aprily 2024, rehefa avy nampakatra fitsarana izy. Lasa migadra enin-taona izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Kalininskiy any amin’ny Faritanin’i Tcheliabinsk higadra fito taona ny Rahalahy Yevgeniy Bushev, tamin’ny 7 Novambra 2023. Tonga dia naiditra am-ponja izy raha vao niala tao amin’ny fitsarana.

Ilay voampanga

Tena malahelo isika hoe misy rahalahintsika iray indray nalefa any am-ponja. Na izany aza anefa, dia matoky isika fa ho fialofana ho an’i Yevgeniy sy izay rehetra miatrika fanenjehana i Jehovah.​—Salamo 94:22.

Zava-nitranga

  1. 24 Aogositra 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  2. 8 Septambra 2022

    Nosavana ny tranony

  3. 9 Septambra 2022

    Tsy navela hivoaka ny faritra misy azy

  4. 20 Septambra 2023

    Nanomboka ny fitsarana azy

  5. 7 Novambra 2023

    Voaheloka ary voasazy higadra fito taona