Hijery ny anatiny

Ambony ankavia: Rahalahy sy anabavy mihira amin’ny fo ny hiran’ilay Fanjakana amin’ny Tenin’ny Tanana Filipino. Ambany ankavia: Mpiara-manompo maromaro nanatrika an’ilay fandaharana, mampiseho andininy avy ao amin’ny bokin’i Matio amin’ny Tenin’ny Tanana Filipino. Ankavanana: Rahalahy Dean Jacek miteny hoe navoaka ilay boky

29 Aprily 2024
PHILIPPINES

Navoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Filipino ny Bokin’i Matio

Navoaka Tamin’ny Tenin’ny Tanana Filipino ny Bokin’i Matio

Nitehaka ireo rehetra nanatrika an’ilay fandaharana rehefa navoaka tamin’ny Tenin’ny Tanana Filipino ny bokin’i Matio

Navoaka tamin’ny Tenin’ny Tanana Filipino ny bokin’i Matio ao amin’ny Baiboly, tamin’ny 21 Aprily 2024. Nisy fandaharana manokana natao tao amin’ny biraon’ny sampan’i Philippines any amin’ny tanànan’i Quezon, dia ny Rahalahy Dean Jacek, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Philippines, no namoaka an’ilay Baiboly tamin’io fotoana io. Rahalahy sy anabavy 413 no nanatrika mivantana an’ilay fandaharana. Nisy 3 998 tao amin’ilay tany koa nanatrika an’ilay izy tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Tonga dia azo nalaina tao amin’ny jw.org sy tao amin’ny programa JW Library Sign Language ilay boky tamin’izay.

Olona 500 000 eo ho eo no mampiasa ny Tenin’ny Tanana Filipino. Tamin’ny 1999 no nisy fiangonana tamin’ny Tenin’ny Tanana Filipino voalohany tany Quezon, dia tamin’ny 2011 no nanomboka nadika tamin’io fiteny io ny boky sy gazetintsika. Misy fiangonana 72 sy antoko-mpitory maromaro amin’ny tenin’ny tanana izao any Philippines, dia 3 000 mahery ny rahalahy sy anabavy manompo ao amin’ireo.

Sambany izao vao nisy hoe boky ao amin’ny Baiboly voadika feno amin’ny Tenin’ny Tanana Filipino. Hoy ny rahalahy marenina iray: “Andinin-teny sasany ao amin’ny bokin’i Matio ihany no voadika tamin’ny fiteninay taloha. Hoatran’ny hoe misy sary iray ngezabe nefa ampahany kely amin’ilay izy ihany no mba hitanay. Amin’izao anefa izahay afaka mahita an’ilay sary iray manontolo!” Hoy koa ny anti-panahy iray ao amin’ny fiangonana iray amin’ny Tenin’ny Tanana Filipino: “Misy lesona tsara be dia be azo ampiasaina rehefa manampy sy mampahery ny fiangonana ao amin’ny bokin’i Matio. Ampirisihina ao amin’ny Matio 5:23, 24, ohatra, hoe tokony hiezaka hitandro fihavanana amin’ny mpiara-manompo isika rehefa misy tsy fifanarahana. Tena misaotra an’i Jehovah aho satria lasa misy amin’ny fiteninay ireny lesona tena lehibe ireny.”

Faly isika hoe navoaka tamin’ny Tenin’ny Tanana Filipino ny bokin’i Matio. Vao mainka izao hihabetsaka ny olona tso-po handray soa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra noho io boky io.​—Matio 7:24, 25.