Hijery ny anatiny

Rahalahy Maksim Zinchenko sy Karina vadiny

23 JANOARY 2024
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

“Tsy Misy Tsy Vitan’ny Manam-pinoana Ange E!”

“Tsy Misy Tsy Vitan’ny Manam-pinoana Ange E!”

Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Nakhimov any amin’ny tanànan’i Sébastopol dia hamoaka didy momba ny Rahalahy Maksim Zinchenko. Mbola tsy fantatra ny sazy hangatahin’ny mpampanoa lalàna hampiharina aminy.

Ilay voampanga

Matoky isika fa hamaly soa an’i Maksim sy izay rehetra manohy manao ny sitrapony i Jehovah noho izy ireo be herim-po sy miaritra.​—Hebreo 10:35, 36.

Zava-nitranga

  1. 17 Mey 2023

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava satria hoe nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana mampidi-doza

  2. 22 Mey 2023

    Nosavana ny tranony. Natao famotorana i Maksim sy Karina. Notanana am-ponja vonjimaika i Maksim

  3. 24 Mey 2023

    Nafahana i Maksim ary nambenana tao an-tranony

  4. 12 Jolay 2023

    Nanomboka ny fitsarana azy