Hijery ny anatiny

Fampiasana ny Mombamomba Anao—Malta

Fampiasana ny Mombamomba Anao—Malta

Rehefa lasa mpitory ny olona iray dia ekeny fa afaka mampiasa ny fanazavana momba azy ny fikambanana ara-pivavahana maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria ilain’ilay fikambanana izany. Anisan’io fikambanana io ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, ny biraon’ny sampana eo an-toerana, ary ny fikambanana hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Omen’ny mpitory ho an’ny fiangonana ny fanazavana momba azy, araka ny voalazan’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah mba hahafahany mandray anjara amin’ny asa ara-pivavahana mifandray amin’ny fanompoany an’Andriamanitra sy mahazo fanampiana ara-panahy.—1 Petera 5:2.

Mety homen’ny mpitory fanazavana fanampiny momba azy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa manao asa ara-pivavahana hafa izy. Tafiditra amin’izany fanazavana izany ny anarany, daty nahaterahany, lahy izy sa vavy, datin’ny batisany, adiresy sy telefaoniny, fahasalamany ara-panahy, asa fanompoana ataony, na ny andraikiny eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hita ao amin’izany fanazavana izany izay inoan’ilay mpitory ary mety hisy fanazavana saro-pady koa ao. Ny hoe fampiasana ny mombamomba ny olona iray dia midika hoe alaina ilay izy, ampirimina, alamina, tehirizina, na ny mitovitovy amin’izany.

Ity ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana ao amin’io firenena io:

Fitsipika Ankapobe Mifehy ny Fiarovana Fanazavana (UE) 2016/679.

Araka io Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana io, dia manaiky ny mpitory fa ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ireto zavatra mifandray amin’ny fivavahana ireto ny mombamomba azy:

  • fandraisana anjara amin’ny fivorian’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana sy amin’ny asa an-tsitrapo;

  • fahafahana mandray anjara amin’ny fivoriana na fivoriambe alaina feo sy sary mba hampianarana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany;

  • fanatanterahana ny fanendrena na andraikitra ao amin’ny fiangonana. Tafiditra amin’izany ny hoe soratana eo amin’ny tabilao misy ny filazana ao amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny anaran’ilay mpitory sy ilay fanendrena

  • fihazonana ny karatra Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitorin’ny Fiangonana

  • fikarakarana ara-panahy ataon’ny anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah (Asan’ny Apostoly 20:28; Jakoba 5:14, 15);

  • firaketana ny mombamomba ny olona azo antsoina raha misy loza.

Hotehirizinay ny fanazavana momba ny olona iray mandritra ny fe-potoana hanatanterahana an’ireo voalaza eo ambony ireo, na raha misy antony ara-dalàna hafa tokony hitehirizana azy. Raha misafidy ny tsy hanao sonia an’ilay taratasy hofenoina hoe Fampahafantarana sy Fanekena ny Hampiasana ny Mombamomba Ahy ilay mpitory, dia mety ho hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy afaka manao andraikitra sasany eo anivon’ny fiangonana izy, na tsy afaka mandray anjara amin’ny asa ara-pivavahana sasany.

Mety homena ny fikambanana hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mombamomba ny olona iray raha ilaina ny hanaovana an’izany ary atao araka ny tokony ho izy ilay izy. Fantatry ny mpitory fa mety ho any amin’ny firenena hafa izany fikambanana hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah izany, ary tsy voatery hitovy ny lalàna momba ny fiarovana fanazavana ao amin’ireny firenena ireny sy ny any amin’ny misy azy. Fantany koa hoe hanaja ny Faneken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa Tsy Hamoaka ny Fanazavana Omena izay mandray ny fanazavana momba azy, anisan’izany ny fikambanana any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Etazonia.

Zon’ny mpitory ny mijery ny fanazavana momba azy any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy mangataka ny hanajanonana ny fikarakarana an’ilay izy ary manitsy ny diso ao. Zony koa ny mangataka ny hamerana ny fomba hampiasana ny fanazavana momba azy. Na rahoviana na rahoviana, dia afaka mandà ny mpitory hoe tsy ampiasaina amin’ny zavatra sasany intsony ny mombamomba azy. Raha tsy eken’ilay mpitory intsony ny hampiasana ny mombamomba azy dia mety mbola ho afaka hampiasa ny fanazavana sasany momba azy ihany ny Vavolombelon’i Jehovah. Manana antony ara-dalàna hanaovana an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah satria mikarakara sy mitantana ny fanazavana momba an’ireo anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, na satria mamela azy ireo hanao an’izany ny lalàna ao amin’ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana. Fantatry ny mpitory fa manana zo hitaraina any amin’ny manam-pahefana momba ny fiarovana fanazavana ao amin’ny tany misy azy izy.

Mandray fepetra isan-karazany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiarovana ny fanazavana voarainy momba ny olona. Mifanaraka amin’ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana izany fepetra izany. Takatry ny mpitory fa olona vitsy sy nahazo alalana ihany no mahita ny fanazavana omeny mba hanaovana an’ireo voalaza teo ireo.

Ny fanontaniana sy fangatahana rehetra atao amin’ny tompon’andraikitry ny fiarovana fanazavana dia azo alefa e-mail any amin’ny:

DataProtectionOfficer.GB@jw.org.

Takatry ny mpitory fa hita ao amin’ilay hoe Adiresy Momba ny Fiarovana Fanazavana, ao amin’ny jw.org, ny mombamomba ny mpikarakara fanazavana ao amin’ny tany misy azy. Mety ho hita ao koa ny an’ny solontenan’ny mpikarakara fanazavana sy ny tompon’andraikitry ny fiarovana fanazavana, ho an’ny tany sasany.

Mety hiova indraindray ny fomba ikarakaranay ny fanazavana raha miova ny asa ara-pivavahana ataonay, ny lalàna misy, na mivoatra ny teknolojia. Raha ilaina ny manavao an’ity Fampiasana ny Mombamomba Anao ity dia halefanay eto amin’ity pejy ity izany, amin’izay dia ho fantatry ny mpitory foana hoe inona ny fanazavana alainay momba azy ary ahoana no ampiasanay azy. Jereo matetitetika ity pejy ity raha nisy fanovana.