Hijery ny anatiny

Fampiasana ny Mombamomba Anao​—Kenya

Fampiasana ny Mombamomba Anao​—Kenya

Rehefa lasa mpitory ny olona iray dia ekeny fa afaka mampiasa ny fanazavana momba azy ny fikambanana ara-pivavahana maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria ilain’ilay fikambanana izany. Anisan’io fikambanana io ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana, ny biraon’ny sampana eo an-toerana, ary ny fikambanana hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Omen’ny mpitory ho an’ny fiangonana ny fanazavana momba azy, araka ny voalazan’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah mba hahafahany mandray anjara amin’ny asa ara-pivavahana mifandray amin’ny fanompoany an’Andriamanitra sy mahazo fanampiana ara-panahy.​—1 Petera 5:2.

Tafiditra amin’ny mombamomba ny olona iray ny anarany, daty nahaterahany, lahy izy sa vavy, datin’ny batisany, adiresy sy telefaoniny, fahasalamany ara-panahy, asa fanompoana ataony, ny andraikiny eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, na izay fanazavana omeny rehefa manao asa ara-pivavahana hafa izy. Hita ao amin’izany fanazavana izany izay inoan’ilay mpitory ary mety hisy fanazavana saro-pady koa ao. Ny hoe fampiasana ny mombamomba ny olona iray dia midika hoe alaina ilay izy, ampirimina, alamina, tehirizina, na ny mitovitovy amin’izany.

Intỳ ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana ao amin’io firenena io:

Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana laharana 24 tamin’ny 2019 sy ny didy ao anatin’ilay Lalàna.

Araka io Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana io, dia ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ireto zavatra mifandray amin’ny fivavahana ireto ny mombamomba ny mpitory:

  • fikarakarana sy fitantanana ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah

  • fandraisana anjara amin’ny fivorian’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana sy amin’ny asa an-tsitrapo

  • fandraisana anjara an-tsitrapo amin’ny fivoriana na fivoriambe alaina feo sy sary mba hampianarana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany

  • fanendrena na fanatanterahana andraikitra hafa ao amin’ny fiangonana

  • fihazonana ny karatra Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitorin’ny Fiangonana

  • fikarakarana ara-panahy ataon’ny anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah (Asan’ny Apostoly 20:28; Jakoba 5:14, 15)

  • firaketana ny mombamomba ny olona azo antsoina raha misy loza

Hotehirizinay ny fanazavana momba ny olona iray mandritra ny fe-potoana hanatanterahana an’ireo voalaza eo ambony ireo, na raha misy antony ara-dalàna hafa tokony hitehirizana azy. Raha misafidy ny tsy hanome an’izay fanazavana ilaina momba azy ilay mpitory na tsy manaiky ny hampiasana ny fanazavana momba azy, dia mety ho hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tsy afaka manao andraikitra sasany eo anivon’ny fiangonana izy, na tsy afaka mandray anjara amin’ny asa ara-pivavahana sasany.

Maneran-tany ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety halefa na hotehirizina any ivelan’ny firenena misy azy àry ny mombamomba ny mpitory. Mety ho hafa mihitsy ny lalàna momba ny fiarovana fanazavana any amin’ireny firenena ireny, fa tsy voatery hitovy amin’ny lalàna ao amin’ilay firenena nialan’ilay fanazavana. Raha hoatr’izany ilay firenena andefasana ny fanazavana momba anao, dia efa misy fepetra raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho azo antoka hoe voaro foana ilay fanazavana alefa. Mety ho tafiditra amin’izany ny fampiasana taratasy misy fifanekena. Izay Vavolombelon’i Jehovah mandray an’ilay fanazavana, dia hampiasa an’ilay izy mifanaraka amin’ny Faneken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa Tsy Hamoaka ny Fanazavana Omenao.

Ireto avy ny zon’ny mpitory mahakasika ny fanazavana momba azy any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah: Zo hijery an’ilay fanazavana; zo hangataka ny hanitsy na hamafa an’ilay izy; zo hangataka ny hamerana ny fikarakarana an’ilay izy; ary zo hitsipaka ny fikarakarana an’ilay izy. Raha manaiky ny hampiasana ny fanazavana momba azy amin’ny asa hafa ny mpitory, dia afaka mandà an’izay zavatra sasany mety mbola hampiasana an’ilay fanazavana izy, na rahoviana na rahoviana. Raha tsy eken’ilay mpitory mihitsy na tsy ekeny intsony ny hampiasana ny mombamomba azy na raha mangataka izy hoe hofafana ny mombamomba azy na hoferana ny fikarakarana an’ilay izy, dia mety mbola ho afaka hampiasa ny fanazavana sasany momba azy ihany ny Vavolombelon’i Jehovah satria manana antony ara-pivavahana hanaovana an’izany na satria mamela azy ireo hanao an’izany ny lalàna ao amin’ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana. Fantatry ny mpitory fa manana zo hitaraina any amin’ny manam-pahefana momba ny fiarovana fanazavana ao amin’ny tany misy azy izy.

Mandray fepetra isan-karazany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiarovana ny fanazavana voarainy momba ny olona. Mifanaraka amin’ny Lalàna Momba ny Fiarovana Fanazavana izany fepetra izany. Takatry ny mpitory fa olona vitsy sy nahazo alalana ihany no mahita ny fanazavana omeny mba hanaovana an’ireo voalaza teo ireo.

Ny fanontaniana sy fangatahana rehetra atao amin’ny tompon’andraikitry ny fiarovana fanazavana dia azo alefa e-mail any amin’ny:

InboxLGL.ke@jw.org

Takatry ny mpitory fa hita ao amin’ilay hoe Adiresy Momba ny Fiarovana Fanazavana, ao amin’ny jw.org, ny mombamomba ny mpikarakara fanazavana ao amin’ny tany misy azy. Mety ho hita ao koa ny an’ny solontenan’ny mpikarakara fanazavana sy ny tompon’andraikitry ny fiarovana fanazavana, ho an’ny tany sasany.

Mety hiova indraindray ny fomba ikarakaranay ny fanazavana raha miova ny asa ara-pivavahana ataonay, ny lalàna misy, na ny fampiasana teknolojia. Raha ilaina ny manavao an’ity Fampiasana ny Mombamomba Anao ity dia halefanay eto amin’ity pejy ity izany, amin’izay dia ho fantatry ny mpitory foana hoe inona ny fanazavana alainay momba azy ary ahoana no ampiasanay azy. Jereo matetitetika ity pejy ity raha nisy fanovana.