Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Ditin’ny Balanes

Ny Ditin’ny Balanes

 Efa ela ny manam-pahaizana momba ny biby no nahamarika hoe tena miraikitra be amin’ny vato sy amin’ny vatan’ny sambo ary amin’ny zavatra hafa ilay karazan’akorandriaka atao hoe balanes. Miraikitra lavitra noho ny lakaoly namboarin’olombelona ny ditin’ny balanes. Vao haingana ny manam-pahaizana vao nahalala hoe ahoana no ahafahan’io biby io miraikitra amin-javatra any anaty rano.

 Diniho izao: Hita tamin’ny fikarohana hoe mijery toerana maromaro ny balanes rehefa hifidy ny toerana hipetahany. Toa mamoaka ranoka karazany roa izy rehefa mankeo amin’ny toerana mety tsara aminy. Misy menaka ilay ranoka voalohany. Manala ny rano eo amin’ilay faritra hipetahany ilay izy, ary ataony mety mipetaka tsara eo ilay ranoka faharoa feno proteinina (antsoina hoe phosphoprotéines).

 Lasa lakaoly mafy be ireo ranoka roa ireo rehefa mitambatra ka na bakteria aza tsy mahavita manimba azy. Tena ilain’ny balanes ilay hoe mafy sy maharitra hoatr’izany ilay ditiny, satria hipetraka eo mandra-pahafatiny izy.

Sary mampiseho ny ditin’ny balanes

 Be pitsiny tsy araka ny nieritreretana azy ny fanaovan’ny balanes ny ditiny. Miaiky ny lehilahy iray anisan’ireo mpikaroka nahita an’izany hoe tena hevitra tsara ilay izy satria sarotra ny mametaka lakaoly amin-javatra any anaty rano. Mety hanampy ny mpikaroka hanamboatra lakaoly azo ampiasaina any anaty rano izany, na lakaoly avy amin’ny zavaboary fa azo ampiasaina amin’ny fitaovana elektronika na amin’ny fitsaboana.

 Ahoana ny hevitrao? Nivoatra miandalana ve ny ditin’ny balanes, sa nisy namorona?