Hijery ny anatiny

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | JOBA

Nositranin’i Jehovah ny Ratram-pony

Nositranin’i Jehovah ny Ratram-pony

Niady hevitra be tamin’i Joba i Elifaza sy Bildada ary Zofara. Naman’i Joba izy telo lahy ireo. Tsy nisy nahateny intsony anefa rehefa ela ny ela. Ny rivotra mafana mitsoka moramora avy any amin’ny Tany Efitr’i Arabia angamba sisa no heno tamin’izay. Tsy hitan’i Joba intsony koa izay holazaina satria leo be izy. Alao sary an-tsaina ange izy mivandravandra be mijery azy telo lahy e! Hoatran’ny te hiteny izy hoe: ‘Tohizo eo ihany ange e!’ Tsy nahajery an’i Joba intsony anefa ry zareo. Tsy nisy nandaitra tamin’i Joba mantsy ny “teniteny foana” sy ny latsalatsa nataony taminy. (Joba 16:3) Nilaza an-kolaka ry zareo hoe nanao ratsy, hono, izy matoa nijaly be! Mba niezaka erỳ ry zareo nandresy lahatra be azy nefa tsy nisy vokany akory. Vao mainka aza i Joba nanizingizina hoe tsy nanao ratsy mihitsy sady mbola tsy nivadika tamin’Andriamanitra.

Azo antoka fa ilay izy hoe tsy nivadika sisa no nampahery an’i Joba tamin’izay, ary izay koa no zava-dehibe indrindra taminy. Efa tsy nanana na inona na inona intsony mantsy izy. Maty daholo koa ny zanany folo. Ny namana sy ny mpiara-monina koa moa lasa tsy niraharaha azy intsony sady nanao tsinontsinona azy. Dia mbola narary koa izy avy eo! Feno zavatra maintimainty be ny hodiny. Izay tsy feno takopery dia feno olitra! Ny vavany amin’io mamoaka fofona maimbo be! (Joba 7:5; 19:17; 30:30) Vao mainka nanampy trotraka an’izany rehetra izany izy telo lahy satria nandatsalatsa be azy, dia tezitra be i Joba. Tsy nanaiky àry izy fa niaro tena hatramin’ny farany hoe izy tsy mpanao ratsy izany. Tsy hitan’izy telo lahy intsony izay holazaina, dia nangina ihany ry zareo nony farany. Tsy hoe tapitra hatreo anefa ny fahorian’i Joba. Tena mbola nila olona hampahery azy izy.

Tena mafy ny nahazo an’i Joba ka tsy mahagaga raha lasa nanamarin-tena loatra izy. Nila olona hanoro hevitra sy hanitsy azy izy. Nila olona tena mahay mampionona azy koa izy. Tsy mba nanao an’izany mantsy izy telo lahy namany, nefa izany no tena nilainy. Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe tena nila olona hanoro hevitra sy hampionona anao? Efa nisy fotoana koa ve nandiso fanantenana anao ny olona mba noeritreretinao hoe namanao? Hampahery sy hahasoa anao ny mahafantatra an’izay nataon’i Jehovah Andriamanitra tamin’i Joba. Notoroan’i Jehovah hevitra izy, dia nanaiky hahitsy.

Mpanoro hevitra hendry sy tsara fanahy

Misy zavatra tsy ampoizina ao amin’ilay tantara. Nisy tovolahy anankiray atao hoe Eliho teo akaiky teo nihaino ny resak’izy efa-dahy. Izy no zandriny indrindra tamin’izy rehetra. Nahagaga fa teo foana izy, nefa tsy niteny mihitsy fa nihaino tsara. Tezitra be izy naheno ny resaky ry zareo.

Tezitra tamin’i Joba i Eliho. Nampalahelo azy ny zavatra notenenin’i Joba. Nahateny mantsy izy hoe “ny tenany no marina fa tsy Andriamanitra.” Marina fa olo-marina i Joba nefa diso nanome tsiny azy loatra ny namany, dia lasa niteniteny foana izy. Nangoraka an’i Joba anefa i Eliho, satria hitany hoe mafy loatra ny nahazo azy. Tsy nanafinafina koa i Joba fa izay tany am-pony no nolazainy. Hitan’i Eliho koa hoe tena nila olona tsara fanahy hanoro hevitra sy hampionona azy izy. Tsy ariny intsony àry fa nanariny mafy ireo naman’i Joba telo lahy! Henony daholo mantsy ny vava nataon-dry zareo taminy. Nataon-dry zareo izay hahatonga azy tsy hino an’Andriamanitra sy hivadika aminy. Nambanin-dry zareo koa izy. Nanendrikendrika an’Andriamanitra mihitsy aza ry zareo, dia lasa hoatran’ny hoe ratsy fanahy Andriamanitra. Nahoana kosa moa i Eliho no tsy hiteny rehefa avy naheno an’izany rehetra izany?—Joba 32:2-4, 18.

Hoy i Eliho: “Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa zokiolona. Koa izany no natahorako sy tsy nahasahiako nilaza taminareo izay fantatro.” Tsy vitany intsony anefa ny hoe hangina fotsiny. Hoy ihany izy: “Tsy izay ela niainana ihany no hendry, na izay be taona ihany no mahay mitsara.” (Joba 32:6, 9) Hita avy eo hoe marina ireo teniny ireo. Nananatra an-dry zareo elaela mantsy izy. Hafa mihitsy ny fomba niresahany tamin’i Joba, fa tsy hoatran’ny nataon’i Elifaza sy Bildada ary Zofara. Nanome toky an’i Joba izy hoe tsy hanambany azy na hanampy trotraka an’izay efa mahazo azy. Nohajainy koa i Joba, ka notononiny mihitsy ny anarany sady niteny izy hoe tena nanao tsinontsinona azy izy telo lahy. * Hita koa hoe nahalala fomba izy satria hoy izy: “Mba henoy ... ny teniko, ry Joba.”—Joba 33:1, 7; 34:7.

Notononin’i Eliho mihitsy ny anaran’i Joba. Tsara fanahy taminy koa izy sady nanaja azy

Tsy nisorona i Eliho fa niteny an’i Joba hoe: “Reko ... izay nolazainao ... hoe: ‘Madio tsy manan-keloka aho, ary madio tsy manam-pahadisoana. Mahita hirika hanoherana ahy foana anefa [Andriamanitra].’” Tonga dia nivantana i Eliho avy eo niteny hoe: “Heverinao ve fa rariny ny filazanao hoe: ‘Mihoatra noho ny an’Andriamanitra ny fahamarinako’?” Diso hevitra i Joba, dia nahitsin’i Eliho. Hoy io tovolahy io taminy: “Lazaiko aminao fa tsy marina ny anao tamin’iny.” (Joba 33:8-12; 35:2) Fantatr’i Eliho hoe tezitra be i Joba satria sady fongana ny fananany no maty daholo ny zanany. Ny namana mba tokony hampahery azy koa nasiaka be taminy. Nampitandrina an’i Joba anefa i Eliho hoe: “Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana.”—Joba 36:18, Fandikan-teny Protestanta.

Nasongadin’i Eliho hoe tsara fanahy i Jehovah

Tsy hoe nanitsy an’i Joba fotsiny i Eliho fa niaro an’i Jehovah Andriamanitra koa. Tsy lava resaka izy fa tonga dia notsoriny ny marina. Hoy izy: “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny! ... Tsy mba mamadika ny rariny ilay Mahery Indrindra.” (Joba 34:10, 12) Nanome ohatra izy avy eo mba hanaporofoana hoe mamindra fo i Jehovah sady manao ny rariny. Nampisaintsaininy, ohatra, i Joba hoe azon’i Jehovah natao ny nanasazy azy satria izy niteniteny foana sady tsy nanaja an’Andriamanitra. Tsy nanao an’izany anefa i Jehovah. (Joba 35:13-15) Tsy nirehareha koa i Eliho hoe tsy misy tsy fantany ny momba an’Andriamanitra. Nanetry tena kosa izy, ka niteny hoe: “Tsy takatry ny saintsika ny fisandratan’Andriamanitra.”—Joba 36:26.

Marina hoe tsy niolakolaka i Eliho, nefa tsara fanahy izy. Nilaza zavatra nampahery be, ohatra, izy. Niteny izy hoe mbola hositranin’i Jehovah indray i Joba satria izao no ampanantenainy an’izay mpanompony tsy mivadika: “Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora, ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.” Hita koa hoe tsara fanahy i Eliho satria tsy hoe izy foana no niteny fa mba nasainy namaly koa i Joba. Nampirisika azy izy hoe: “Mitenena, fa mahafinaritra ahy ny fahamarinanao.” (Joba 33:25, 32) Tsy namaly anefa i Joba. Inona intsony moa no holazainy eo? Tsara fanahy be sady nahay nampahery mantsy i Eliho rehefa nanoro hevitra azy, dia tsy nisy antony tokony hanamarinany tena intsony. Maivamaivana kosa aza i Joba, dia nitomany mihitsy angamba.

Be dia be ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ireo mpanompon’Andriamanitra roa ireo. Azontsika tahafina, ohatra, i Eliho rehefa mila manoro hevitra na mampionona olona isika. Mety ho sarotra aminao ny hiteny olona nanao fahadisoana lehibe na vao mitady hanao an’izany. Raha tena namana anefa ianao, dia tsy hisalasala fa tonga dia hananatra azy. (Ohabolana 27:6) Raha tena namana koa ianao, dia ho tsara fanahy foana sady hahay hampahery azy, na dia mety hoe miteniteny foana aza izy. Azontsika tahafina koa i Joba rehefa misy manoro hevitra antsika. Aleo manetry tena dia henoina tsara ilay torohevitra, fa tsy hoe tsy raharahaina. Mila torohevitra sy fanitsiana daholo mantsy isika. Mety hiaro ny aintsika mihitsy aza ny torohevitra raha arahintsika.—Ohabolana 4:13.

“Avy tao anatin’ny tafio-drivotra”

Niresaka matetika momba ny rivotra, rahona, kotroka, ary tselatra i Eliho rehefa nifampiresaka tamin’i Joba. Nohariny tamin’ny kotroka, ohatra, ny feon’Andriamanitra. Hoy izy: ‘Henoy tsara ny firohondrohon’ny feony.’ Niresaka momba ny “tafio-drivotra” i Eliho avy eo. (Joba 37:2, 9) Nandrivotra angamba tamin’izay sady nitady ho avy ny orana. Nifofofofo be ilay rivotra taorian’izay, dia lasa tafio-drivotra be! Vao mainka nampatahotra avy eo satria niteny i Jehovah!—Joba 38:1.

Eritrereto ange e! Ilay namorona an’izao rehetra izao mihitsy no nampianatra an’i Joba momba ny zavatra nataony!

Ela ny ela ka niteny ihany i Jehovah! Niresaka tamin’i Joba izy. Mahafinaritra erỳ ny mamaky ny teniny. Toko vitsivitsy ao amin’ny bokin’i Joba no misy an’ilay izy. Hoatran’ny tafio-drivotra ny tenin’i Jehovah tamin’izay. Rehefa mandalo ny tafio-drivotra, dia fafany daholo izay zavatra maivamaivana rehetra. Rehefa niteny koa i Jehovah dia lasa hoatran’ny hoe tsy nisy dikany daholo izay zavatra diso notenenin’i Elifaza sy Bildada ary Zofara. Marina daholo mantsy ny zavatra notenenin’i Jehovah. Tsy niresahan’i Jehovah mihitsy aloha izy telo lahy fa mbola i Joba irery no niresahany. Nanitsy an’io mpanompony tena tiany io izy. Tsy niolakolaka izy nefa tsara fanahy, hoatran’ny ray manitsy ny zanany.

Tsapan’i Jehovah hoe tena mafy ny nahazo an’i Joba, dia nangoraka azy izy. Hoatran’izany foana no tsapany rehefa misy zanany mijaly. (Isaia 63:9; Zakaria 2:8) Hainy koa anefa hoe niteniteny foana i Joba satria “zavatra tsy fantany akory” no nolazainy, dia vao mainka izany nanampy trotraka ny olana nahazo azy. Nametraka fanontaniana be dia be taminy àry i Jehovah mba hampisaintsainana azy. Nanontany, ohatra, izy hoe: “Taiza àry ianao fony aho nanorina ny tany? Lazao ahy, raha mahira-tsaina tokoa ianao.” Tsy fantatr’i Joba ny valin’io fanontaniana io. Tsy fantany, ohatra, hoe rehefa nanomboka namorona ny tany i Jehovah dia faly be ny “kintan’ny maraina”, izany hoe ny anjely rehetra. Nihorakoraka be ry zareo tamin’izany.—Joba 38:2, 4, 7.

Niteny avy tao anaty tafio-drivotra i Jehovah, dia nanitsy moramora an’i Joba

Mbola niresaka momba ny zavaboary ihany i Jehovah avy eo. Hoatran’ny hoe nampianatra siansa an’i Joba izy satria niresaka kely momba ny kintana, ny zavamananaina, ny tany, ary ny fizika. Nanazava momba ny biby isan-karazany koa izy. Biby fahita tany amin-dry Joba no noresahiny, ohatra hoe liona, goaika, osidia eny amin’ny harambato, ampondradia, ombidia, aotirisy, soavaly, hitsikitsika lehibe, voromahery, hipopotama (antsoina koa hoe Behemota), ary voaibe (antsoina koa hoe Leviatana). Eritrereto ange e! Ilay namorona an’izao rehetra izao mihitsy no nampianatra an’i Joba momba ny zavatra nataony! *

Nianatra momba ny fanetren-tena sy ny fitiavana i Joba

Nahoana i Jehovah no nisahirana nampianatra an’i Joba? Satria tena nila nanetry tena kokoa i Joba. Tena tia azy ilay Rainy any an-danitra, nefa noheveriny hoe nampijaly azy, dia notsaratsarainy hoe tsy rariny ny ataony. Vao mainka anefa nanampy trotraka ny fahoriany izany satria lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah izy. Izay no nahatonga an’i Jehovah hamerimberina hanontany an’i Joba hoe taiza izy rehefa namorona ny zava-drehetra i Jehovah. Nanontaniany imbetsaka koa i Joba hoe vitany ve ny mamelona sy mifehy ary mibaiko ny zavaboary. Dia raha ny mibaiko ny zavatra noforonin’i Jehovah aza tsy hainy akory, dia iza moa izy no hitsaratsara an’i Jehovah? I Jehovah aza mbola misaina lavitra sy mahay lavitra noho izy, dia izy indray ve no hiteniteny an’i Jehovah?

Tsy niady hevitra tamin’i Jehovah i Joba na nanamarin-tena

Hita tamin’ny zavatra rehetra notenenin’i Jehovah koa hoe tena tia be an’i Joba izy. Hoatran’ny niteny taminy mihitsy izy hoe: ‘Joba a! Ianao ange zanako e! Ireo zavatra rehetra ireo aza ve vitako ny namorona azy sy mikarakara azy, dia ianao indray ve no tsy horaharahaiko? Izaho ve dia hanary anao? Izaho koa ve dia hahavita hamono ny zanakao, hanimba ny hoavinao, dia hanao izay hampaharary anao? Tsy misy afa-tsy izaho ihany ange no mahavita mamerina an’ireny zavatra nafoinao ireny e! Dia izaho irery koa no afaka manasitrana anao sy mampionona anao.’

Tena nahay nampisaintsaina i Jehovah, dia tsy nahateny betsaka i Joba, fa indroa fotsiny no namaly azy. Tsy niady hevitra intsony izy na nanamarin-tena. Nanetry tena kosa izy, dia niaiky hoe kely ihany ny zavatra mba fantany. Niaiky koa izy hoe tena niteniteny foana. (Joba 40:4, 5; 42:1-6) Tena hita mihitsy hoe nino an’izay nolazain’i Jehovah i Joba. Mbola natoky an’i Jehovah foana izy, na dia tena mafy aza ny nahazo azy. Nanaiky hahitsin’i Jehovah izy. Ary ianao? Mieritrereta hoe: ‘Manetry tena ve aho dia manaiky rehefa misy manitsy na manoro hevitra?’ Mila torohevitra daholo mantsy isika rehetra. Manahaka an’i Joba isika raha manaiky hahitsy.

“Tsy nilaza ny marina momba ahy ianareo”

Hitan’i Jehovah hoe tena nijaly be i Joba, dia nanao zavatra amin’izay izy mba hampiononana azy. Niteny mafy an’i Elifaza izy. I Elifaza angamba no zokiny indrindra tamin’izy telo lahy naman’i Joba. Hoy i Jehovah taminy: “Tezitra mafy aminao sy ny namanao roa lahy aho, satria tsy nilaza ny marina momba ahy ianareo, tsy mba tahaka an’i Joba mpanompoko.” (Joba 42:7) Inona no tian’i Jehovah hotenenina? Nilaza ve izy hoe diso daholo ny zavatra notenenin’izy telo lahy fa izay nolazain’i Joba kosa marina daholo? Tsy niteny an’izany izy. * Tsy hoe marina daholo akory izay notenenin’i Joba, saingy nisy zavatra tsy nampitovy azy tamin’ireo telo lahy nanendrikendrika azy. I Joba mantsy tena kivy be mihitsy sady nalahelo be. Tsy vitan’izay fa mbola nendrikendrehina sy nolatsaina koa izy. Tsy mahagaga raha lasa niteniteny foana izy. I Elifaza sy ny namany roa lahy kosa tsy nijaly be hoatran’i Joba. Nanambony tena ry zareo sady tsy tena nino an’i Jehovah, dia izay no nahatonga an-dry zareo ho sahisahy ratsy dia nandatsalatsa an’i Joba. Olona tsy nanan-tsiny akory no nendrikendrehiny. Vitan-dry zareo mihitsy aza ny nanala baraka an’i Jehovah. Nilaza an-kolaka izy telo lahy hoe Andriamanitra masiaka be sady ratsy fanahy i Jehovah.

Rariny àry raha nosazin’i Jehovah mafy izy telo lahy. Nasainy nanao sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito ry zareo. Tsy hoe fahadisoana kely ilay izy tamin’i Jehovah matoa ombilahy mihitsy no nasainy natao sorona. Rehefa nivoaka mantsy ny Lalàn’i Mosesy tatỳ aoriana, dia ny mpisoronabe no nasaina nanao sorona ombilahy hoatr’izany. Tsy maintsy nanao an’izany izy raha nanao fahadisoana lehibe ka nahatonga ny firenena manontolo ho meloka. (Levitikosy 4:3) Ny ombilahy koa no lafo indrindra tamin’ny biby rehetra nasain’i Jehovah natao sorona. Niteny koa i Jehovah hoe tsy hankasitraka ny sorona hataon’izy telo lahy izy raha tsy mivavaka ho an-dry zareo aloha i Joba. * (Joba 42:8) Tsy maintsy hoe nampahery be an’i Joba ny nahita hoe niaro azy i Jehovah sady nanao ny rariny rehefa nandamina an’ilay olana.

“Hivavaka ho anareo i Joba mpanompoko.”—Joba 42:8

Natoky i Jehovah hoe hamela ny helok’izy telo lahy i Joba, dia hanaiky hivavaka ho an-dry zareo na dia tena nandratra ny fony aza ny nataon-dry zareo. Izany tokoa no nataony, dia faly be ilay Rainy. (Joba 42:9) Tsy am-bava fotsiny ny azy ilay hoe tsy hivadika amin’i Jehovah fa tena noporofoiny tamin’ny nataony mihitsy. Nankatò an’i Jehovah foana izy, dia nomeny fitahiana be dia be.

“Be fitiavana”

Tena “be fitiavana” sy ‘namindra fo’ tamin’i Joba i Jehovah. (Jakoba 5:11) Nositranin’i Jehovah izy. Eritrereto ange ny hafaliany tamin’izay e! Lasa “tsara noho ny an’ny tanora” ny nofony. Izay mihitsy ilay efa notenenin’i Eliho! Na ny fianakaviany sy ny namany aza lasa nanohana azy sy niara-niory taminy, dia nitondra fanomezana be dia be ho azy. Nataon’i Jehovah nanankarena be indray koa izy, sady vao mainka aza nampitomboin’i Jehovah avo roa heny ny harenany. Ary ahoana daholo ny zanany rehetra maty? Iny mantsy no fahoriana nangidy indrindra taminy. Marina hoe mbola nalahelo be izy mivady, nefa mba nitonitony ry zareo avy eo satria niteraka folo indray. Tsy vitan’izay fa nohalavain’i Jehovah ny androm-piainan’i Joba. Mbola velona 140 taona izy, dia mbola nahita ny zafindohaliny. “Dia maty i Joba rehefa antitra sady voky andro.” (Joba 42:10-17) Ho tafaraka daholo indray izy mianakavy any amin’ny Paradisa, dia ho eo daholo koa ireo zanany folo mianadahy novonoin’i Satana.—Jaona 5:28, 29.

Fa maninona i Joba no nomen’i Jehovah valisoa be dia be hoatr’izany? Hoy ny Baiboly hoe: “Efa renareo ny niaretan’i Joba.” (Jakoba 5:11) Mafy loatra ny nahazo an’i Joba, ka mety tsy ho azontsika an-tsaina akory ny fahoriany. Resahin’ilay andinin-teny hoe ‘niaritra’ i Joba. Afaka tamin’ilay fahoriana be iny ihany izy, nefa tsy hoe nisy vokany ratsy taminy ilay izy. Mbola nino sy natoky an’i Jehovah foana izy. Tsy hoe lasa mafy fo sy nitana lolompo izy, fa vonona hamela heloka foana. Navelany na dia izay nanao fanahy iniana nampijaly azy aza. Tsy nanary toky mihitsy koa izy. Tsy vitan’izay fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy izy. Izay mantsy no zava-dehibe indrindra taminy.—Joba 27:5.

Mila miaritra daholo koa isika rehetra. Tsy maintsy hanao izay hahakivy antsika i Satana, hoatran’ny nataony tamin’i Joba. Tsy maintsy miaritra anefa isika sady matoky an’i Jehovah. Mila manetry tena sy vonona hamela heloka koa isika. Tsy izay ihany fa tokony ho tapa-kevitra isika hoe tsy hivadika amin’i Jehovah. Ho tsara be ny hoavintsika raha manao an’izany isika. (Hebreo 10:36) Ho tezitra be i Satana raha tsy mivadika hoatran’i Joba isika, fa ilay Raintsika be fitiavana kosa ho faly be!

^ feh. 6 Be dia be mihitsy ny zavatra nolazain’i Elifaza sy Bildada ary Zofara tamin’i Joba. Mahafeno toko sivy ao amin’ny Baiboly ilay izy. Tsy mba nanonona ny anaran’i Joba mihitsy anefa izy telo, na indray mandeha aza.

^ feh. 14 Fanazavana mivantana no nomen’i Jehovah indraindray, fa indraindray koa anefa izy nampiasa sarin-teny. Nahay nanazava tsara izy, dia tsy hita mihitsy hoe niovaova ny fomba nampianarany an’i Joba. (Jereo, ohatra, ny Joba 41:1, 7, 8, 19-21.) Iray ihany ny tanjon’i Jehovah tamin’izany. Tiany hanaja azy kokoa i Joba satria izy no namorona ny zava-drehetra.

^ feh. 18 Nisy zavatra notenenin’i Elifaza, ohatra, naverin’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana, satria hitany hoe tena marina. (Joba 5:13; 1 Korintianina 3:19) Marina ny tenin’i Elifaza saingy tsy tokony ho noteneniny tamin’i Joba ilay izy satria tsy nihatra taminy.

^ feh. 19 Tsy resahin’ny Baiboly hoe nasain’i Jehovah nanao sorona ho an’ny vadiny koa i Joba.