Hijery ny anatiny

Jesosy ve no Anaran’Andriamanitra?

Jesosy ve no Anaran’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Nilaza i Jesosy hoe “Zanak’Andriamanitra” izy. (Jaona 10:36; 11:4) Tsy nilaza mihitsy izy hoe izy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

 Nivavaka tamin’Andriamanitra koa i Jesosy. (Matio 26:39) Hoy izy rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!”—Matio 6:9.

 Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra izy rehefa nanonona andinin-teny iray avy ao amin’ny Soratra Masina ka niteny hoe: “Mihainoa, ry Israely ô: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.”—Marka 12:29; Deoteronomia 6:4.