Hijery ny anatiny

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Tatoazy?

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Tatoazy?

Valiny ara-baiboly

 Indray mandeha ihany ny Baiboly no miresaka tatoazy, na tombokavatsa. Hoy ny Levitikosy 19:28: “Aza asiana tombokavatsa ny tenanareo.” Nomen’Andriamanitra ny firenen’Israely io didy io, satria tiany hiavaka amin’ny mponina manodidina izy ireo. Nosoratan’ireny olona ireny teny amin’ny vatany mantsy ny anaran’ny andriamaniny na ny marika mampiavaka azy. (Deoteronomia 14:2) Marina fa tsy mihatra amin’ny Kristianina ny Lalàna nomena ny Israelita. Mila dinihina tsara ihany anefa ny lesona raketin’izy io.

Mety amin’ny Kristianina ve ny manao tatoazy na ny mitevika amin’ny vatana?

 Misy andinin-teny vitsivitsy afaka manampy anao hisaintsaina momba izany ireto:

  •   Tokony ‘hihaingo amin’ny fomba maotina ny vehivavy.’ (1 Timoty 2:9) Mihatra amin’ny lehilahy koa izany. Tokony hihevitra ny fihetseham-pon’ny hafa isika, ka tsy hisarika loatra ny sainy ho amintsika.

  •   Misy manao tatoazy satria te hampiseho hoe manana ny maha izy azy izy na efa mahaleo tena. Ny hafa indray te hampiseho fa afaka manao izay tiany amin’ny vatany izy. Hoy anefa ny Baiboly: ‘Atolory ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra ny tenanareo. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.’ (Romanina 12:1) Ampiasao ny ‘sainao’ ka eritrereto hoe nahoana ianao no te hanao tatoazy. Lamaody ve ilay izy, sa mampiseho hoe anisan’ny antokon’olona iray ianao? Raha izany no antony, dia tadidio fa mety hiova hevitra ianao any aoriana, nefa ilay tatoazy efa mipetaka eo amin’ny vatanao. Eritrereto tsara àry hoe nahoana ianao no te hanao tatoazy, fa hanampy anao hanapa-kevitra izany.—Ohabolana 4:7.

  •   “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Maimaika fotsiny ny olona matetika rehefa manapa-kevitra ny hanao tatoazy. Mety hisy vokany maharitra eo amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa sy eo amin’ny asanao anefa izany. Lafo be sy manaintaina be koa ny manala tatoazy. Maro no manenina hoe nanao tatoazy. Manaporofo izany ny fikarohana natao sy ny habetsahan’ny olona mankany amin’ny mpanala tatoazy.