Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Romanina 10:13: ‘Izay Miantso ny Anaran’ny Tompo no Hovonjena’

Romanina 10:13: ‘Izay Miantso ny Anaran’ny Tompo no Hovonjena’

 “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”—Romanina 10:13, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena.”—Romanina 10:13, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Romanina 10:13 holazaina?

 Tsy manavakavaka Andriamanitra fa tiany ho voavonjy sy hahazo fiainana mandrakizay daholo ny olona, na inona na inona fireneny, volon-kodiny, na fari-piainany. Raha te hahazo an’izany anefa isika, dia tsy maintsy miantso ny anaran’i Jehovah. Io no anaran’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. aSalamo 83:18.

 Ny hoe ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ dia tsy midika fotsiny hoe mahalala ny anarany sy mampiasa azy io rehefa mivavaka aminy. (Salamo 116:12-14) Tafiditra amin’izany koa ny hoe matoky an’Andriamanitra sy mitady ny fanampiany.—Salamo 20:7; 99:6.

 Zava-dehibe tamin’i Jesosy Kristy ny anaran’Andriamanitra. Izao no teniny voalohany tao amin’ilay vavaka modely: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!” (Matio 6:9) Nasehon’i Jesosy koa fa tsy maintsy miezaka hahalala sy hankatò ary ho tia an’i Jehovah isika, raha te hahazo fiainana mandrakizay.—Jaona 17:3, 6, 26.

 Nahoana isika no afaka milaza hoe i Jehovah ilay “Tompo” resahin’ny Romanina 10:13, ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta? Satria nalaina tao amin’ny Joela 2:32 io andinin-teny io, ary ny anaran’Andriamanitra no hita ao fa tsy ilay hoe “Tompo”, rehefa jerena ny teny hebreo tany am-boalohany. (Ao amin’ny Joela 3:5 izy io, ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta.) b

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Romanina 10:13?

 Resahin’ny Romanina toko faha-​10 fa tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny olona iray raha tsy mino an’i Jesosy Kristy. (Romanina 10:9) Misy andinin-teny be dia be manohana an’izany ao amin’ny Testamenta Taloha. Manam-pinoana ny olona iray rehefa manao “fanambarana ampahibemaso”, ohatra hoe mitory ny vaovao tsara momba ny famonjena amin’izay mbola tsy mahalala. Ho afaka hiezaka hanam-pinoana ka hiaina mandrakizay koa ny olon-kafa amin’izay.—Romanina 10:10, 14, 15, 17.

Vakio ny Romanina toko faha-​10, dia jereo koa ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.

a Miseho im-7 000 eo ho eo ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly sora-tanana fahiny. Litera efatra izy io amin’ny teny hebreo ary matetika no adika hoe “Jehovah.” Misy manam-pahaizana koa anefa tia mampiasa an’ilay teny hoe “Iaveh.”

b Azo inoana fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ireo Kristianina nanoratra ny Baiboly, rehefa nisy an’ilay anarana ny andininy nalain’izy ireo avy tao amin’ny “Testamenta Taloha.” Hoy ny diksionera The Anchor Bible Dictionary: ‘Azo inoana fa tamin’ny vao nosoratana ny Testamenta Vaovao, dia tao ny Litera Efatra, na ny Anaran’Andriamanitra hoe Yahweh, rehefa nisy andininy nalaina tany amin’ny Testamenta Taloha. Mety ho ny andininy sasany izany, na izy rehetra.’ (Boky Faha-6, pejy 392) Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay hoe “Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Grika Kristianina” ao amin’ny Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra.