Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Nomery 6:24-26: “Hitahy Anao Anie NY TOMPO ka Hiaro Anao”

Nomery 6:24-26: “Hitahy Anao Anie NY TOMPO ka Hiaro Anao”

 “Enga anie i Jehovah hitahy anao sy hiaro anao! Hampamirapiratra ny tavany aminao anie i Jehovah ka hankasitraka anao! Hanandratra ny tavany aminao anie i Jehovah ka hanome fiadanana anao!”​—Nomery 6:24-26, fanamarihana ambany pejy, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Hitahy anao anie NY TOMPO ka hiaro anao; hampamirapiratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hamindra fo aminao; hanandratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hanome anao fiadanana.”​—Nomery 6:24-26, Baiboly Dikanteny Protestanta Malagasy.

Inona no tian’ny Nomery 6:24-26 holazaina?

 Antsoina hoe tsodranon’ny mpisorona, na tsodranon’i Arona, ireo teny ireo. I Arona mantsy no mpisoronabe voalohany teo amin’ny Israely. (Eksodosy 28:1) Avy amin’Andriamanitra io tsodrano io, raha ny marina. (Nomery 6:22, 23) Nilaza tamin’i Mosesy izy hoe: “Teneno i Arona sy ny zanany hoe: ‘Izao no tsodrano hataonareo amin’ny vahoakan’Israely’”, dia avy eo izy nanonona an’ireo teny hita ao amin’ny Nomery 6:24-26. Nankatò an’io didin’Andriamanitra io ny mpisorona tsy nivadika. Nanome voninahitra an’ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah a koa izy ireo. Izao no resahin’ny andininy faha-27 momba ny mpisorona: “Ary hampiasa ny anarako eo amin’ny vahoakan’Israely izy ireo mba hitahiako azy.”

 “Enga anie i Jehovah hitahy anao sy hiaro anao!” Ahoana no itahian’i Jehovah ny mpanompony? Arovany sy omeny tari-dalana ary ataony mahomby izy ireo. (Ohabolana 10:22) Ilay teny hoe “ianao” no ampiasaina ao amin’ny Nomery 6:24-26, fa tsy ilay hoe “ianareo.” Mety hidika izany hoe tsy ilay firenena amin’ny fitambarany ihany akory no tian’Andriamanitra hotahina fa ny Israelita tsirairay koa.

 “Hampamirapiratra ny tavany aminao anie i Jehovah ka hankasitraka anao!” Ilay fiangaviana an’Andriamanitra mba “hampamirapiratra ny tavany” amin’ny olona iray, dia mitovy amin’ny hoe mangataka azy mba hampiseho ny fankasitrahany an’ilay olona. b Azo adika koa io fehezanteny io hoe: “Ho miramirana aminao anie i Jehovah.” (Nomery 6:25) Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka ny vahoakany izy? Tsara fanahy sy mamindra fo amin’izy ireo izy ary mangoraka azy ireo.​—Isaia 30:18.

 “Hanandratra ny tavany aminao anie i Jehovah c ka hanome fiadanana anao!” Ahoana ilay hoe ‘manandratra ny tavany’ amin’ny mpanompony i Jehovah? Miahy azy ireo amim-pitiavana izy ary manome azy ireo fiadanana. Milaza ny boky iray fa “ilay teny hebreo nadika hoe fiadanana (shalom) dia tsy midika fotsiny hoe tsy manana olana amin’ny hafa ny olona iray, fa hoe mahatsiaro ho sambatra sy afa-po izy, na ara-batana izany na ara-panahy.”

 Tsy maintsy nankatò an’i Jehovah ny Israelita raha tiany ho tanteraka aminy ilay tsodrano resahin’ireo andininy ireo. (Levitikosy 26:3-6, 9) Nitana ny teniny i Jehovah rehefa nanao an’izany izy ireo. Nahitana an’izany izao tamin’ny fotoana nanjakan’ny mpanjaka sasany, ohatra hoe i Solomona sy Hezekia.​—1 Mpanjaka 4:20, 25; 2 Tantara 31:9, 10.

 Marina fa tsy takina hanao an’io tsodrano io ny Kristianina. Afaka miteny zavatra mitovitovy amin’io anefa izy ireo rehefa mivavaka ho an’ny hafa na rehefa mampahery ny Kristianina namany. (1 Tesalonianina 5:11, 25) Tsy miova i Jehovah fa mbola te hitahy sy hiaro ny mpanompony tsy mivadika foana. Miadana sy milamin-tsaina àry ny tena Kristianina, satria fantany hoe mampamirapiratra ny “tavany” amin’izy ireo i Jehovah.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Nomery 6:24-26?

 Hita ao amin’ny toko folo voalohany amin’ny bokin’ny Nomery ny toromarika nomen’Andriamanitra ny Israelita tamin’izy ireo nitoby teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay. Efa an-dalana ho an’ny amin’ny Tany Nampanantenaina ry zareo tamin’izay, dia nitoby teo nandritra ny herintaona teo ho eo. Nalamin’i Jehovah ho lasa firenena iray ilay vahoaka ary nomeny lalàna be dia be. Antsoina hoe fifaneken’ny Lalàna ny fitambaran’ireo lalàna ireo.

 Nifidy an’i Arona sy ny zanany lahy mba ho mpisorona koa i Jehovah, ary niteny tamin’i Mosesy hoe ahoana no tokony hataon’izy ireo rehefa hitsodrano ny Israelita. (Nomery 6:22, 23) Taorian’izay, dia nampiasa an’ireo teny ao amin’ny Nomery 6:24-26 i Arona sy ny taranany isaky ny hitsodrano an’ilay firenena. Rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa fahazaran’ny mpisorona ny nilaza an’io tsodrano io amin’ny faran’ny sorona fanao isan’andro tao amin’ny tempoly.

 Jereo ity video fohy ity raha te hanao topy maso ny bokin’ny Nomery ianao.

a Jehovah no teny malagasy mahazatra andikana an’ilay anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo. Betsaka anefa ny fandikan-tenin’ny Baiboly tsy mampiasa ny anaran’Andriamanitra fa nanolo an’ilay izy hoe Tompo. Raha tianao ho fantatra ny antony, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?

b Mifanohitra amin’izay indray, fa lazain’ny Baiboly hoe nanafina ny tarehiny tamin’ny Israelita i Jehovah rehefa tsy nankasitraka ny zavatra nataon’izy ireo.​—Isaia 59:2; Mika 3:4.

c Milaza ny Dikanteny Vaovao Iraisam-pirenena (Baiboly Fianarana) fa naverimberina eo amin’ireo andininy ireo ny anaran’Andriamanitra “mba ho fanamafisana sady mba hampisy lanjany an’ilay voalazan’ny [andininy faha-27].” Misy anefa miteny hoe ilay anaran’Andriamanitra miverina intelo eo dia manaporofo hoe telo izay iray Andriamanitra. Tsy marina izany. Milaza ny boky iray manohana ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray fa “tsy nahatonga an’ilay mpisorona nanome tsodrano, na ireo olona nomena tsodrano, hieritreritra an’izany mihitsy” ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra intelo eo. Izao koa no lazainy: “Nampisy haingony an’ilay tsodrano sy nahatonga an’ilay izy ho feno tsara fotsiny, tamin-dry zareo, ilay anarana naverina intelo.” (The Pulpit Commentary, Boky 2, pejy 52) Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Telo Izay Iray ve Andriamanitra?