Hijery ny anatiny

Ranabavy Yelena Chernykh

21 MARTSA 2024 | VAOVAO FARANY: 12 APRILY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Tsy Mandao Anay Mihitsy i Jehovah”

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA ILAY ANABAVY | “Tsy Mandao Anay Mihitsy i Jehovah”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tsentralniy any Prokopievsk, any amin’ny Faritanin’i Kemerovo, ny Ranabavy Yelena Chernykh tamin’ny 12 Aprily 2024. Nahazo sazy mihantona telo taona izy, fa mbola tsy migadra aloha izy izao.

Ilay voampanga

Mampahery antsika ny mahafantatra hoe “tsy miovaova ” i Jehovah. Hanohy hanome antsika “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra” izy, amin’izay isika ho afaka hiaritra na dia miatrika fitsapana faran’izay mafy aza.​—Jakoba 1:17.

Zava-nitranga

  1. 12 Jolay 2020

    Nosavana ny tranony. Samy natao famotorana i Yelena sy Yuriy

  2. 25 Mey 2023

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava

  3. 15 Aogositra 2023

    Tsy nahazo nanao dia lavitra

  4. 9 Oktobra 2023

    Nanomboka notsaraina izy