Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Rahalahy Yuriy Kolotinskiy sy Mikhail Reshetnikov ary Anatoliy Sarychev

27 MARTSA 2024 | VAOVAO FARANY: 13 MEY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Matoky An’i Jehovah sy Vonona ary Faly Foana ry Zareo

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Matoky An’i Jehovah sy Vonona ary Faly Foana ry Zareo

Tamin’ny 13 Mey 2024, dia nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninski any Barnaul, Faritanin’i Altaï, ny Rahalahy Yuriy Kolotinskiy sy Mikhail Reshetnikov ary Anatoliy Sarychev. Nahazo sazy mihantona roa taona sy telo volana avy ry zareo, fa mbola tsy nampidirina am-ponja aloha izao.

Ireo voampanga

Faly be isika manana rahalahy hoatran-dry zareo. Modely ho antsika ry zareo satria manam-pinoana sy matoky an’i Jehovah isika. Matoky isika hoe hanampy azy ireo foana i Jehovah satria tsy mivadika amin-dry zareo izy sady tena tia an-dry zareo.​—Salamo 25:10.

Zava-nitranga

  1. 25 Mey 2021

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Mikhail

  2. 27 Mey 2021

    Nosavana ny tranon’i Mikhail. Natao famotorana izy sy Antonina. Tsy navela nanao dia lavitra i Mikhail

  3. 6 Oktobra 2022

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Anatoliy sy Yuriy ary natambatra ny raharaha mahakasika an-dry zareo sy Mikhail

  4. 7 Oktobra 2022

    Tsy navela hanao dia lavitra i Anatoliy sy Yuriy

  5. 19 Janoary 2023

    Nanomboka ny fitsarana