Hijery ny anatiny

Ambony, avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Nikolay Dikhtyar sy Andrey Lyakhov

Ambany, avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Yuriy Ponomarenko sy Oleg Sergeyev

29 MEY 2023 | VAOVAO FARANY: 3 MEY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Manampy ny Rahalahintsika Hiaritra Fanenjehana ny Torolalan’ny Baiboly

VAOVAO FARANY: VOAHELOKA IREO RAHALAHY | Manampy ny Rahalahintsika Hiaritra Fanenjehana ny Torolalan’ny Baiboly

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Pozharski any amin’ny Faritanin’i Primorié ny Rahalahy Nikolay Dikhtyar, Andrey Lyakhov, Yuriy Ponomarenko, ary Oleg Sergeyev, tamin’ny 2 Mey 2024. Sazy mihantona roa taona sy tapany no azon’i Nikolay, roa taona sy valo volana ny an’i Andrey, enin-taona sy tapany ny an’i Yuriy, ary enin-taona sy efa-bolana ny an’i Oleg. Tsy mbola naiditra am-ponja aloha ry zareo izao.

Ireo voampanga

Fantatsika fa “ho ampy fitaovana tsara hanaovana ny asa tsara rehetra” hoatran’i Andrey, Nikolay, Oleg, ary Yuriy isika, rehefa mampihatra ny torolalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika.​—2 Timoty 3:16, 17.

Zava-nitranga

  1. 16 Jolay 2021

    Nanomboka nanao famotorana an’i Yuriy ny manam-pahefana. Voarohirohy ho nandamina fandaharana ho an’ny fikambanana iray mampidi-doza izy

  2. 22 Jolay 2021

    Nosavana ny tranon’i Yuriy

  3. 24 Jolay 2021

    Tsy navela hanao dia lavitra i Yuriy

  4. 1 Novambra 2021

    Nosavana ny tranon’i Oleg

  5. 2 Novambra 2021

    Tsy navela hanao dia lavitra i Oleg

  6. 12 Febroary 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava koa i Oleg

  7. 14 Martsa 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava koa i Nikolay

  8. 15 Martsa 2022

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava koa i Andrey

  9. 10 Aogositra 2022

    Nanomboka ny fitsarana