Hijery ny anatiny

Rahalahy Kirill Gushchin sy Svetlana vadiny

9 MARTSA 2022 | VAOVAO FARANY: 2 MEY 2024
ROSIA

VAOVAO FARANY: AFAKA MADIODIO ILAY RAHALAHY | Mampahery ny Rahalahy Kirill Gushchin ny Mivavaka ho An’ny Mpiara-manompo

VAOVAO FARANY: AFAKA MADIODIO ILAY RAHALAHY | Mampahery ny Rahalahy Kirill Gushchin ny Mivavaka ho An’ny Mpiara-manompo

Afaka madiodio ny Rahalahy Kirill Gushchin, araka ny didy navoakan’ny Fitsaram-paritr’i Mayskiy any amin’ny Repoblikan’i Kabardino-Balkarian, tamin’ny 2 Mey 2024. Hita hoe tsy meloka izy amin’ny zava-drehetra niampangana azy.

Zava-nitranga

  1. 20 Mey 2020

    Nisy polisin’ny FSB nanao saron-tava nanakana an’i Kirill rehefa nivoaka ny toeram-piasany izy. Tonga dia nasian-dry zareo rojo vy ny tanany ary nentin-dry zareo ho any an-tranony izy. Rehefa tonga tany an-tranon’i Kirill ry zareo, dia nambenana tao amin’ny efitra iray izy sy Svetlana vadiny fa nataon’ny polisy savahao ny tranony. Nisy polisy iray nanafina boky voarara tao amin’ny efitra fatorian’izy mivady sy tao amin’ny efitra iray hafa

  2. 26 Aprily 2021

    Nampangain’ny manam-pahefana hoe mpanao heloka bevava i Kirill. Nisy olona nandray feo fivoriana an-tsokosoko mantsy dia izany no nataon’ny manam-pahefana porofo hiampangana an’i Kirill. Nolazain’ilay mpanao famotorana hoe nanao heloka bevava izy satria hoe nihira sy nivavaka ary nanazava ny 1 Korintianina 13:8, izay milaza hoe: “Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.”

  3. 28 Aprily 2021

    Nampangaina tamin’ny fomba ofisialy hoe mpanao heloka bevava i Kirill. Nisy raharaha iray hafa nosokafana mba hiampangana an’i Svetlana sy anabavy efatra hafa

  4. 19 Mey 2021

    Voampanga ho nandrahona vavolombelona ny iray tamin’ireo polisin’ny FSB. Efa meloka ho nanome porofo tsy marina hiampangana Vavolombelon’i Jehovah koa io polisy io tany aloha tany. Naverin’ilay lehiben’ny Sampan-draharaha Mpanao Famotorana tany amin’ny mpampanoa lalàna indray àry ilay raharaha mba hanaovana fikarohana fanampiny

  5. 7 Jona 2021

    Nalefan’ny manam-pahefana tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Mayskiy ilay raharaha

Ilay voampanga

Matoky hoatran’i Kirill isika hoe ho “fialofana azo antoka amin’ny fotoan-tsarotra” i Jehovah, na ho an’i Kirill izany na ho an’ny mpiara-manompo amintsika rehetra miaritra fanenjehana any Rosia sy Crimée.​—Salamo 9:9, 10.